Norobain’ny jiolahy ny vola iray sakaosy, rehefa avy nifampisintomana teny ambony posy, ny zoma lasa teo. Tsy nisaron-tava sy nanapoaka basy ireo olon-dratsy.
Nirongo fitaovam-piadiana, tsy tahotra tsy henatra, napoakan’ireo jiolahy roalahy teo afovoan’arabe tao Ambolomadinika tao Ambolomadinika anoloan’ny biraon’ny Sekrima, Toamasina basy ka lasany ny vola tamina sakaosy teny amin’ny raim-pianakaviana iray ny zoma teo. Nitaingina “posy-posy”, tsy nanampo na inona inona ity lasibatra ity. Nikasa hanao “versement” tamina mpamongady iray tsy lavitra io toerana io izy. Kinanjo, narahin’ny jiolahy tsy nisaro-tava. Nosakan’ireto farany ny posy, ary nambanany basy ilay mpitaingina. Tsy afa-nanohitra ny mpitari-posy ary nitady hirika hialana ilay rangahy taoriana. Nirefotra indroa ny basy. Vokany, voasinton’ireo jiolahy roalahy ny vola ka nirifatra nandositra izy ireo. Nikiry hanenjika ireo olon-dratsy ilay mpitari-posy taorian’io.
Kisarintsarim-panafihana
Teo am-pandosirana, mbola narangarangan’ireo jiolahy ny basy teny aminy. Tsy nisy nanaraka noho izany ireo nanatri-maso. Ilay mpitari-posy kosa, niezaka hanenjika azy ireo. “Mitondra fitaovam-piadiana ireny fa mijanona”, hoy ilay lasibatra. Nanahy arak’izany ny manodidina fa mety ho niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ireo ihany io lasibatra io. “Mety tsy te-handoa ny trosany tamin’ilay mpamongy io rangahy io ka nanao sarin-tsarim-pandrombana”, hoy ireo nahita ny fanafihana. “Nosakanany tsy hananjika ireo jiolahy noho izany ilay mpitari-posy”, hoy hatrany ireto farany. Etsy ankilany, nilaza ny nanatri-maso sasany fa tahotry ny fitaovam-piadiana teny amin’ireo jiolahy sy hiarovana ny ain’ilay mpitari-posy io fihetsik’ilay lasibatra tsy hanenjehana ireo olon-dratsy io. Nahare ny poa-basy, tonga nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha. “Tsy maintsy atao izay ahitana ireo jiolahy nitam-piadiana ireo”, hoy ny kaomisera ao Bazary Kely.
Sajo/ Tsiferana R.




