Iray Volana nomerika: mitaky fitaovana teknolojia vaovao

Nandritra ny volana no­vambra, nifarimbona ny eo anivon’ny talem-paritra miisa enina eo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fi­fandraisan-davitra (MNDPT)* eto Analamanga, Mahajanga, Toliara, Fiana­rantsoa, Toama­sina ary Antsi­ranana, izay na­natontosana ny hetsika «Vo­lana nomerika» (Mois du nu­mérique).

Nianaka nanerana an’i Madagasikara ny fanatontosana ny «Volana nomerika»  izay tsy nifidy sehatra na ivontoerana hanomezana fa­ha­lalana, isan’izany ny fampianarana : EPP, CEG, Lycée, Oniversite. Nahazo ny anjarany koa ny teo anivon’ny fokontany maro teto amin’ny Nosy. Fikambanana samihafa any amin’ny faritra, toy ny fikambanam-behivavy, ny mpitaiza tanora dia ny skoto zazavavy sy zazalahy, ny tanora mpanao fanatanjahantena, ny mpiahy sy mpikarakara ankizy kamboty sy nianjadian’ny herisetra, ny vondron’ny antoko-pivavahana silamo koa tsy diso anjara.

Ankoatra ny fizaràna «internet» maimaim-poana, nisy ny fampahafantarana, fampiofanana, fanentanana, indrindra fizaràna traikefa eo amin’ny sehatry ny nomerika, ny fampianarana ny fikirakirana ireo fitaovana ara-teknolojia vaovao sy ny lalàna mifehy izany, izay nifampizarana ka nipaka mivantana tamin’ireo mpiray tanindrazana manerana ny Nosy.
Ho an’ny sehatra rehetra
Maro ireo mpianatra fa tsy diso anjara ihany koa ireo mpampianatra mpiasam-panjakana, ny manamboninahitra amin’ny tafika, ny mpiara-miasa eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny ministeran’ny Angovo sy ny akoran’afo, ny ministeran’ny Mponina, ny ministeran’ ny Rano ny fanadiovana ary ny fidiovana ary koa ny CNaPS.
Ho ezahin’ny ministera (MNDPT) ny hanao izao hetsika izao haharitra, satria ilaina ary mamaly tanteraka ny filàn’ireo olona manerana ny Nosy amin’ny sehatra rehetra misy azy ho fampandrosoana haingana ny toekarena.

Ndrina

MNDPT* : Minis­tère  du dé­veloppement Numéri­que, de la transformation Digitale, des Postes et des Télécommunications

Partager sur: