Namoy ny ainy ny lehilahy iray lasibatra nandritra ny fifampikasihan-tanana teo amin’ireo mpanatrika lanonam-pamadihana tao Ambohidramasy, Andrainjato, kaominina Fianarantsoa, ny marain’ny sabotsy 27 septambra, tamin’ny 1 ora maraina. Nandritra ny fanapoahana afomanga nataon’ny tompon-danonana. Nifampidaroka sy nifamono ireo lehilahy. « Notazomina tato amin’ ny hopitaly ny lehilahy telo vokatry ny ratra », hoy ny fanazavan’ny mpitsabo ao amin’ny CHU Andrainjato izay nandray an-tanana azy ireo. Voa mafy teo amin’ny lohany ny rangahy iray 51 taona. Misy vaky ny faritry ny lohany taorian’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo azy. « Mampanahy ny fahasalamany ary mbola misalasala ny mpitsabo handidy ny lohany », hoy ny fanampim-panazavana. Ankoatra io, tsy tana ny ain’ny tovolahy iray 21 taona izay efa tena voa mafy nandritra io savorovoro io. Nalefa nody ireo roa lahy izay nahitana ratra saingy tsy misy atahotra ny fahasalamany. Nifampitoraka tamin’ny vato, nifampidaroka ary nisy nifandratra tamin’ny antsy ireo olona lasibatra ireo. Nisy vahiny avy ao Antananarivo tamin’ireo lasibatra, hoy ny loharanom-baovao. Tsy olon-kafa, mpanotrona ny lanonana avokoa ny ankamaroan’ireo nifampikasi-tanana. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ity savorovoro tao an-toerana ity.
Tsiferana R.





