Iray tamin’ireo olona valo nankasitrahana ho sangany maneran-tany amin’ny ady amin’ny kolikoly, nandritra ny lanonana nokarakarain’ny Departemantam-panjakana amerikana tany Washington, D.C, ny solontena malagasy, Jean de Dieu Rakotondramihamina, ny zoma teo.
Notoloran’ny Sekreteram-panjakana amerikana, Antony Blinken, mari-pankasitrahana amin’ny maha sangany amin’ny ady amin’ny kolikoly iraisam-pirenena azy, i Jean de Dieu Rakotondramihamina, Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaonty, nandritra ny fankalazana ny Andro hiadiana amin’ny kolikoly, tany Washington , ny zoma teo. Fankasitrahana vokatry ny fahafoizan-tenany hiaro ny mangarahara, ny fahaiza-mitantana, ary ny tany tan-dalàna, sy ny fahavononany hampihatra ireo fanavaozana hanatsarana ny fahombiazan’ny Fitsarana momba ny Kaonty izany. Vokatry ny fahaiza-mitarika nananany, afaka nanao andiana fanadihadiana lalina sy sarotra nanaporofoana fanodikodinam-bola sy hosoka ary fanararaotana ara-bola tao amin’ity rantsam pitsarana ity izy. Nosinganina nohon’ny fahaiza-mitarika nasehony, ny herimpony, ary ny fiantraikan’ny ezaka nataony tamin’ny fisorohana, fanaovana ampamoaka, ary fiadiana amin’ny kolikoly any amin’ny fireneny avy izany.
Tsy vao sambany
Raha tsiahivina, nisantatra ny loka ho an’ireo sangany amin’ny ady amin’ny kolikoly ny Birao eo anivon’ny Departemantam-panjakana misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fampiharana lalàna, ny taona 2021. Nanome fankasitrahana iraisam-pirenena ho an’ireo olona manao ny ainy tsy ho zavatra, miatrika fanamby, mba hanohana ny mangarahara sy hiadiana amin’ny kolikoly ary hiantohana ny tamberinandraikitra any amin’ny fireneny. Miady amin’ny kolikoly amin’ny alalan’ny fanamafisana ireo fenitra iraisam-pirenena, fanamafisana orina ireo andrimpanjakana ary fanohanana ireo mpisehatra tsy miankina amin’ny fanjakana Maneran-tany, ny governemanta amerikana. Anisan’ izany i Madagasikara izay raisin’izy ireo toy ny “mpirahalahy mianala” hampanjariana ny fanjakana tsara tantana sy hampiroboroboana ny rafi-panjakana maharitra.
Tsiferana Randriatiana




