Masoivoho Amerikanina : Fahombiazana ny “Freedom Festival”

Nahafahana nanovo fahalalana sy nahafantarana bebe kokoa ny niforonan’i Etazonia ny hetsika “Freedom Festival” nokarakarain’ny masoivoho amerikanina, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Fotoana nanamarihina ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia.
Nahaliana ny tanora sy ny mpitsidika ny fampirantiana sy fampahafantarana marolafy naseho teo an-toerana. Naha­ahana nanandrana ireo karazan-tsakafo mampiavaka ny Amerikanina ihany koa izany. Ankoatra izany ny fiarahana tamin’ny dihy mirindra fanao any Etazonia sy ny horonantsary narahina ady hevitra nahafahana namantatra ny tantaran’i Amerika.
Nahasondriana ireo mp­i­tsi­dika ihany koa ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny Ameri­kanina amin’ny lafiny teknolojia, ny fitsidihana ny habakabaka sy ny fikarohana hatao any ambony tsy taka-maso, mitsidika ireo planeta maro. Efa tena lasa alavitra ny Amerikanina.
Ny tena nahaliana ny tanora ihany koa dia ny fahafantarana ireo dingana arahina raha te hanohy fianarana any Etazonia sy ny fahafahana misitraka vatsim-pianarana avy amin’ny governemanta amerikanina.
“Mbola velona mandrak’ankehitriny ny toe-tsaina nanorenana an’i Etazonia, ary koa ny finiavan’ny Amerika­nina hitandro ny fahalalahana sy hitondra fanavaozana”, hoy ny  mpiandraiki-draharaha ame­­rikanina, Tom Bevan.

Tatiana A

Partager sur: