Karieran’i Sahantona : raikitra ny fandravana fananana

Niteraka resabe ny raharaha karieran’i Sahantona ao amin’ny distrika Mandritsara ny faran’ny herinandro teo. Saika hakaton’ny fokonolona ity kariera ity saingy tsy nanaiky izany ny mpitandro filaminana ka niteraka korontana izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa miditra an-keriny ao an-tanàn’olona ny foko antandroy ka mifaoka izay hitany rehetra sy izay tandrify azy. Hany ka manao andrimasom-pokonolona hiarovana ny fananany, hoy hatrany ny fanazavana. Efa nafindra toerana ihany koa ny zaza amam-behivavy. Ireo vatan-dehilahy kosa miambina ny tanàna. Ao mihitsy aza ireo matory any anaty ala. Ankoatra izay, betsaka, hoy ny loharanom-baovao, no efa naratra rehefa nifanohitra tamin’ireo olona voalaza ho mpandroba. Araka izany, mangataka fanampiana sy fanohanana ny tompon-tanàna mpitrandraka satria efa mifamono ny foko antandroy sy ny mponina avy ao an-toerana. Raha ny fantatra, efa tonga ao amin’ity kariera ity koa ny mpitandro filaminana avy ao Mandritsara saingy mbola tsy voafehy ny raharaha. Manoloana ity tranga ity, nivory ny kaominina manodidina ary tapaka tamin’izay fa horoahina hiala ao Sahantona ny foko antandroy. Hakatona ihany koa ny kariera nahatonga disadisa ity. Etsy ankilany, tsy mandry fahalemana ny mponina ary mangataka ny hijerena ny zava-misy. Man­gataka ihany ny hanampiana ireo mpitandro filaminana mba tsy ho tratry ny be noho ny vitsy. Tsiahivina fa efa niteraka disadisa tamin’ireo mpitrandraka ihany koa ity kariera ity volana maro lasa izay. Tonga tamin’ny fikasihan-tanana ny tranga tamin’izay.

Henintsoa Hani

Partager sur: