Krisimasy sanjila : loka isan’andro ataon’ny MVola

Manokatra lalao Tombolà amin’izao fetin’ny krisimasy sy faran’ny taona izao ny MVola, nomeny ny anarana hoe «Krisimasy sanjila». Lalao ahazoana loka isan’andro sy isan-kerinandro ary hisy loka goavana amin’ny 22 desambra 2022. Miisa 131 ny olona hizarana loka amin’izany.
Tsotra ny fandraisana anjara. Mahazo ny CBM2 Vola, ampiasana ny karatra Mastercard sy ny Maestro. Eo koa ny tolotra Bank to MVola, fampindramam-bola avy amin’ny kaontim-bolan’ny banky mankany amin’ny kaonty MVola. Azo atao koa ny fandoavana ny faktiora Jirama, manana famandrihana amin’ ny interneto, ny MBalik, ny trano fiantohana, ny famandrihana, sns. Farany, fandoavam-bola amin’ny MVola, ny fividianan-javatra, toy ny amin’ny tranombarotra va­venty, ny trano fisakafoanana, ny fivarotana akanjo, sns.
Azo ampiasaina avokoa ny tambajotra rehetra amin’ny alalan’ny kaody USSD, na koa amin’ny fitaovana MVola. Mahazo 20.000 Ar isan’andro ireo tsara vintana miisa efatra. Mahazo 1.000.000 Ar ny mpilalao iray isan-kerinandro. Mahatratra 5.000.000 Ar kosa ny loka goavana. Hita ao amin’ny pejy Facebook-n’ny MVola ireo mahazo loka isan’andro, sy ny loka goavana ny 23 desambra 2022.

Njaka A.

Partager sur: