Madio vetivety ny tanàna: mifarimbona amin’ny fandraofana ny fako ny faritra sy ny CUA

Nadio tao anatin’ny fotoana fohy ny fako be nisavovona tamin’ireo toerana maromaro. Mifanolo-tanana amin’ny CUA ny faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Rano, fidiovana ary fahadiovana. Fitaovana maro no ampiasaina hanatanterahana izany.

Afaka andro vitsy dia hiverina amin’ny laoniny ny fanalana ny fako ary hadio ny tanàna raha ny fanambin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny faritra Analamanga izay mifarimbona amin’ny fandraofana ireo fako.

Nanome kamiao dimy sy Tracks roa ny faritra Anala­manga hanalana ireo fako nivangongo tamin’ny toerana maromaro. Madiodio tanteraka ny toerana avy nanatanterahana izany ary nanaporofo izany ny teny Ambatoroka, Andranomena, Ambodimita, Ambodihady, Ambato­lampi­kely Ambohibao. Amin’ny alina no hanatanterahana ny asa ka tsy manelingelina ny fifamoivoizana ny fiasan’ireo kamiao vaventy. Gaga ny mponina ny maraina mahita ny tanàna madio tampoka tanatin’ny alina tokana.

Mbola mitohy ny fampiasana ireo fitaovana mandra-pahafak’ireo fako. Ny solika nampiasain’ireo “engins” sy “camions” ireo dia ny faritra Analamanga ihany koa no niantoka azy.
Tetsy andaniny, nanazava ny CUA fa nampiasa sarety nahavitana nanala fako 275 taonina tanatin’ny telo andro voalohany nanaovana ny asa. Kamiao 37 izay 24 no an’ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra sy ny SMA, nanala fako milanja 897 taonina tanatin’ny iray andro. “Engin Trax” efatra kosa nifarimbona nanampy tamin’ny fandraofam-pako. 97 ireo toeram-panariana fako voadio hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Hitohy amin’ny toerana rehetra izany mba hiverenan’ny tanànan’Antananarivo ha­dio sy hamerenana amin’ny laoniny ny fanariana fako.

Miisa 267 ireo dabam-pako eto Antananarivo Reni­vohitra ka 21 amin’ireo no tena feno mihoatra sy mitobaka ary 81 no feno.

Marihina fa rehefa volana desambra hatramin’ny janoary dia mitombo avo roa heny ny fakon’Antananarivo noho ny fiakaran’ny karazana voankazo izay miteraka fakobe sarotra fehezina indraindray.

Mila hajaina hatrany ny ora fanariana ny fako eny amin’ny dabam-pako mba hisian’ny rindran-damina efa napetraka.

Tatiana A

Partager sur: