Fampisehoana tsy dia mahazatra ny « Miray marotady », tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly alahady. Tsy nahasakana ny mpankafy mozika ny fiovan’ny anaran’ny tarika Alalà ho Babai Lugu, fa vao mainka aza toa nandrisika azy ireo tonga nameno ny toerana. Ny ankamaroan’ny mpijery dia efa naharaka tsara ny mozikan’i Goul sy ny tariny, ka nanaraka ihany koa ny anjoria nitondran’ireo mpanakanto ireto ny mpijery.
Niaraha-niredona ireo hira malaza toa an-dry “Vero” sy “Ho any atsimo”. Nanaraka an-dry Babai Lugu hatrany ireo mpijery tamin’ny fanentanana nataony, hany ka tsy nisy hantsana nanasaraka fa niara-tafiditra ny rehetra. Maneho izay fiombonam-panahy izay rahateo ireo hira rehetra nalahatra, noravahan’ny zavamaneno nitondra lavitra ireo mpankafy. Nanampy an-dry Babai Lugu teny an-tsehatra mantsy ireo mpiangaly zavamaneno tsofina izay notarihin’i Tsanta, sy i Volahasiniaina nanaraka tamin’ny amponga.
Inona ny tsiambaratelo, satria tonga dia nahafeno ny CCEsca? Azo antoka fa ny fiavahan’ny mozika lalaovin-dry Goul no antony. Tsotra nefa sarotra. Tsapa ilay fototra Malagasy kanefa mivelatra lavitra be. Ny fifamenoan’ny feon’i Goul amin’ny an’i Alice sy i Laurie, efa zavatra hafa. Manainga izany koa anefa ny tendry gitaran’izy mirahalahy ary ny fifamenoan’ireo no mibata ny fanahin’ny mpankafy mozika ao anatin’ny hira nalahatra.
“Miray marotady” no nampisalorana ny fampisehoana, satria nanasa mpanakanto namany izay manao mozika mifototra amin’ny zavamaneno tendrena ry Babai Lugu. Anisan’ireny ry Jenny Raharivola, Marco Klarck ary Fifih. Azo antoka ihany fa anarana ho heno matetika ato ho ato ireo…
Zo ny Aina




