JMSM : Hahazo vahana ny Hip Hop sy ny Rap

Toy ny efa fanaony, tsy hamela handalo fotsiny ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina na ny “Journée mondiale de la santé mentale” (JMSM), ny Hip Hop Works Madagascar. Amin’ity taona ity, hisy ny fampisehoana hatao eny Antsahamanitra, amin’ny andron’ny fankalazana ny 10 oktobra izao. Hahazo vahana ny gadona Hip Hop sy Rap ary mpanakanto efa fanta-daza eo amin’ireo gadona ireo no hiaka-tsehatra. Mitantara ny ao an-tsaina ny gadona Hip Hop sy ny Rap, izay mifanaraka tsara amin’ity Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina ity, raha ny fanazavana avy amin’ ny Hip Hop Works Mada­gascar. Samy hifandimby hiakatra an-tsehatra ny mpanakanto miisa 16 eo. Anisan’ny ho tazana amin’io 10 oktobra io ry Bogotá, Voaygang, Double G, Ko Dobla, A.L.P Mason’aloka, Illicit Soûl, Tommy Montana, Crew, Yrist, Yvslf, Scka, Vercors, Tangala (Buddha El Taga), Kintaniavia ary Mista & Boska. Lil Guizy Sy Tata An’ala no vahiny manokana ary i Tolo Flex sy Kwincy, ary Dj Hman no hanafana ny fampisehoana.

Mi. Raz

Partager sur: