Tokony ho hetsika lehibe nentina nampiakarana avo ny rap ny “festival Zaza Rap Taiza”. Tsy tratra anefa ny tanjona noho ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fikarakarana ankapobeny… Soa fa nanome ny tsara ireo mpanakanto malagasy sy vahiny.
Tontosa ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, ny hetsika “Festival Zaza Rap Taiza”, tao amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina. Maro ny tsy fahatomombanana hita tamin’ny fikarakarana ity hetsika izay tokony ho goavana dia goavana ity. Velon-taraina sy diso fanantenana ny mpankafy raha niandrandra fampisehoana avo lenta sy matihanina. Isan’ izany ny fahataran’ny fisokafan’ny vavahady sy fanombohan’ny seho nandritra ny telo andron’ny hetsika. Tsikaritra ihany koa ny fahavitsian’ny mpijery noho ny vidim-pidirana nambaran’izy ireo fa lafo. Tena nampitaraina ny mpankafy ny tamin’ny andro faharoa sy famaranana. Tsy nisokatra tamin’ny ora voatondro ny vavahady ary lasa tarabe ny fanombohan’ny fampisehoana. “Tsy mbola nisy fampisehoana tara adiny 4 izany raha tsy tamin’ity”, hoy ny mpijery iray. Nanodidina ny tamin’ny 4 ora vao nisokatra ny varavarana raha tamin’ny 12 ora no voatondro tao anatin’ny fandaharam-potoana. Nipetraka niandry ny fisokafan’ ny varavarana fotsiny ny mpijery tonga nandritra izany fotoana izany. “Tsy mendrika ny vidim-pidirana ilay fikarakarana”, hoy i Fetra, mpankafy Rap. Araka ny fanadihadina natao, ny tsy mbola nandoavan’ny mpikarakara ny volan’ny fanamafisam-peo, tamin’ny andro efa vita no isan’ny anton’ny fahataràna tamin’io andro io. Nilamina ihany anefa izany rehefa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta.
Nahafa-po ny mpijery sy ny mpiondana kosa ny sehon’ny mpandray anjara. Na ny an’ny mpanakanto avy eto an-toerana izany na ny nasehon’ ny vahiny. Nanakoako tao amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina ny “Pas de limite” an’i Chilla, ny “La weed brule” an’i Nuttea. Ny hiran’i Busta Flex sy ny an’i Youssoupha. Nampiaky ny mpijery ihany koa ny seho nataon’ireo mpanakanto malagasy, sahala amin’i Bolo, Da Hopp, Mista, Geoscar ary Septic. Hisy ny fiaraha-miasan’ny mpanakanto malagasy sy vahiny ao anatin’izao fandalovan’izy ireo eto Madagasikara izao.
Lin (Mpianatra asa)




