Ny antitra, antitra ihany… Fa tsy mbola antitra akory ry Da Hopp, na ry zalahy aza no zokiny indrindra eo amin’ny tontolon’ny rap gasy. Tsy mbola lefy laza ihany koa, raha tarafina tamin’ireo seho roa notontosainy tamin’iny herinandro iny. Fandraisana anjara tamin’ny “Festival Zaza Rap Taiza” ny voalohany ny alakamisy. Seho lehibe tao amin’ny IFM Analakely kosa ny faharoa ny asabotsy. Niainana indray ireo hira taloha nahafantarana an-dry Ben J, Tax ary Jento. Nanaraka an-dry zalahy teo ihany i DJ Yatang, kanefa nohatevenin’ ireo mpitendry izany, mba hanome kalitao ireo hira efa raikitra anaty toy ny “Aza mijanona mandihy” , “Kay ilay anona a”, sns. Mbola hafa koa ny naheno ny “Tiako ianao” an’i Papa James, novelomin-dry zalahy araka ny fanaovany azy.
Tsy nisy very ny fototr’ireo hira taloha, kanefa tsy latsa-danja ihany koa ireo hira vaovao. Ny fampahafantarana ireto farany, izay voarakitra ao anatin’ny rakikira “Madafaka” rahateo no tena tanjona tamin’ny fampisehoana. Tsikaritr’izay efa naheno fa misy fironana mankany amin’ny mozika avy any atsimon’ny Nosy ity rakikira vaovao ity. Nanamafy izany ry Da Hopp, ary nambarany fa nanaraka ny torohevitr’ireo mpanakanto kalaza maromaro izy ireo.
Zo ny Aina




