Tily Taona 2022- 2023 : mizara 9 ny rafitra foibe

Mitsinjara ho sivy ny rafitra foiben’ny Tily izay tarihin’ny filoha foibe sy filoha foibe mpanampy miisa roa ao anatin’ny taom-piasana faharoa 2022 – 2023. Hampandro­so ny skotisma Tily eto Madagasikara ireo ekipa ireo. Hita ao anatin’izany ny sampana aim-panahy sy fitoriana filazantsara (APF), departemanta fanabeazana (DFB), olon-dehibe, kalitao sy firotsahana an-tsitrapo (ODK).
Eo koa ny departemanta fanofanana (DeF) izay misy ireo biraon’ny tari-panofanana (TPTEM) nasionaly. Ny de­par­temanta serasera (DSS), departemanta fandraharahana sy vola (DFaV), departemanta fotodrafitrasa sy fiaraha-mi­ombon’antoka (DFF), brigade d’intervention rapide (BIR) ary ny commission internationale (IC)
Ny andraikitry ny departemanta fanofanana (DeF) dia manofana momba ny rafitry ny fikambanana (Fiv, Farita­ny, Nasionaly, Iraisam-pirenena), fanangonana ary famadihana ny filàna avy amin’ny fikambanana ho tohana ara-piofanana. Manangana bi­rao isaky ny faritany, fitantanana ny mpikambana TPTEM rehetra, fanapariahana TPTEM any amin’ny Faritany. Ma­nofana sy manara-maso ny fampiharana ataon’ireo tompon’andraikitra rehetra izay nahazo fiofanana (Sampana, Fivon­dronana, Faritany, Na­sionaly) ihany koa ny DeF. Manatsara ny fitantanana tetikasa tantanan’ny TPTEM, ny fiaraha-miasan’ny TPTEM sy ny Foi­be/Faritany. Manao ny “Nu­mérisation” sy fanapariahana boky ary manitatra ny skotisma eto Madagasikara sy any ivelany.

Tatiana A

Partager sur: