Tsy mbola fantatra hatreto ny tompon’antoka tamin’ny raharaha nahafatesana olona tao Ambendrana‚ fokontany Ankiririky‚ kaominina Ambonivohitra Antsohihy, ny 20 novambra teo . Efa nipetraka kosa ny fitoriana olon-tsy fantatra “Plainte contre X”, nataon’ny havan’ny maty. Miahiahy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny faritra Sofia koa anefa izy ireo, araka ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna, Ramorasata Naivotodisoa Jessé‚ ao Antsohihy, ny 6 desambra teo.
Nanao antso ny tenany ho an’ireo afaka manamarina ny vaovao mba hijoro vavolombelona na hanome vaovao ny tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana na ny tonia mpampanoa lalàna. “Tazonina ho tsiambaratelo izany ho fiaravona azy”, hoy izy. Natao hanampy amin’ny fikarohana sy fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra izany, araka ny nambarany.
Tsindry sy fanelanelanana
Nanteriny fa azo anokafana fanadihadiana avokoa, malalaka ny fitsarana ary arovan’ny lalàna amin’ny fanenjehana sy fanatanterahana ny fanadihadiana lalina “Investigations”, atao momba izany . “Tsy sakana amin’ny fanatanterahanay ny asanay ny fiheverana ireo mety ho tsindry na fanelanelanana kasain’ny sasany atao. Manana ny fahaleovantenany manokana ny fitsarana eo am-panatanterahana ny asany ka avelao hiasa am-pilaminana sy am-pahamarinana. Tsy azo avela vita mora ny raharaha namoizana ain’olona”, hoy ihany izy.
Efa nisy ny fitazonana sy nanaovana famotorana ary fanadihadiana olona, hitadiavana ny marina ary koa ny fijerena ireo raki-tsary.
Tsiahivina fa tranga nandonan’ny fiara olona iray ka niafara tamin’ny fahafatesana izao resabe any an-toerana izao. Nandositra rahateo ilay ahiahiana ary efa notondroin’ny sasany ho tompon’andraikitra iray eo anivon’ny faritra Sofia io olona io.
Synèse R.




