Fampandrosoana : hisitraka fampitaovana nomerika ny eny ifotony

Natao ny talata teo ny atrikasa ho amin’ny fampitaovana ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), mifandraika amin’ny “Digitalisation”. Nivoitra ny hijeren’ny minisiteran’ny Ati­tany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) ireo fitaovana mifandraika sy ho azon’ny eny ifotony ampiasaina. Eo ny fampisana ny nomerika ho amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ara-bola. Ny momban’ny soram-piankohonana… Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny minisitera, Ra­solo­maholy Rakotozanany fa anisan’ny dingana manaraka ny fandrindrana izany fitaovana izany hifandraika amin’ny filana eny ifotony. Ezahana ny hanatrarana hatrany amin’ny 70% ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra 2030 ka anisan’ny hisitraka izany ny eny anivon’ny CTD. Miaraka amin’ny fampitaovana ho fanatsarana ny fitantanana izany, arahan’ny fampiharana, araka ny nambaran’ny solontenan’ny Pnud, Natasha van Rijn. Nisongadina fa anisan’ny mivelatra sy manakaiky ny eny ifotony ary ahafahan’ny vahoaka mampandroso ny misy azy ny politikan’ny fanjakana amin’ny CTD ity. Aha­fahana manamora ireo dingana samihafa amin’ny asa na tolotra ho an’ny eny ifotony ny fampitaovana. Hiantraika any amin’ny fizakan-tenan’izy ireo sy hampandroso bebe ko­koa.
Tsiahivina fa manohana izany ny eo anivon’ny Pnud sy ny USAID amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Rindra” sy ny mpiara-miombona antoka ara-bola sy teknika (PTF).

Synèse R.

Partager sur: