FANTINA sy FINTINA

Tsy mora ny mitondra ny fanarenana ny firenena manoloana ny gaboraraka nataon’ny fitondrana teo aloha, araka ny nambaran’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly. « Antony tsy maintsy nirosoana amin’ny fanavaozana tanterahin’ny mpitantana ankehitriny izany », hoy izy.
Nanao fanambarana fanamafisana ny fanohanany ny fanavaozana, tarihin’ny Kly Randrianirina Michaël, ny eo anivon’ny Bandeau rouge. Nambaran’ny mpitarika azy ireo, Ralaivahiny Frerot, omaly, fa hoporofoin’izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana ny rantsamangaikany manerana ny Nosy izany.
Mpanao gazety miisa 20 no hiofana ao amin’ny Maison Russe. Hanomboka ny 20 novambra izao izany ary iarahana amin’ny masoivohom-baovao African Initiative. Anisan’ny hiompanan’ny fiofanana ny fahaiza-manao matihanina eo amin’ny asa fanaovan-gazety. Hisy fanadinana ihany koa amin’ny farany ary hahazoana valisoa.
Nitsidika ny FJKM Dzamandzar Fahasoavana, Nosy Be, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc mivady, ny alahady teo ary niara-nivavaka tamin’ireo kristianina any an-toerana. Voatsiahy tamin’izany ny fotoana nanorenany izany fiangonana izany. Nihaona tamin’ireo kristianina rahateo ny tenany ary nifanakalo hevitra tamin’izy ireo.

Partager sur: