Fangatahan-kevitry ny HCDDED: tsy mbola afa-milaza inona ny HCC

“Ny azo tenenina aminareo dia izao: androany, amin’ny maha filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ahy, tsy afa-kilaza na inona na inona”, hoy ny valin-tenin’ny filohan’ny HCC, Ra­kotoarisoa Florent, teny Tsimbazaza, omaly, mom­ba ny fangatahan-kevitra nataon’ny HCDDED ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny Antenimie­rampi­re­nena ny governemanta sy ny amin’ny fitsabahana andraikitra nataon’ny fahefana mpanatanteraka tamin’izany raha araka ny lalàmpanorenana na tsia.
Mandrara mafy ny fanaovana fanazavana ampahibemaso ny antontan-taratasy eo an-tanany izay mety mbola hamoahana didy na hevitra atsy ho atsy ny fitsipika anatiny ao amin’ny HCC. Noho izany, tsy afa-miteny na inona na inona izy. Efa voarain’ny HCC izany, ka ho re eo ihany ny ho tohiny. Na ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana na ny mpikambana ao anatiny , tsy afa-miteny na inona na inona amin’ny antontan-taratasy mbola hodinihina. Fitsipika anatin’ny HCC izany.

R. Nd.

Partager sur: