Tetikasa OBS-Mada : tanora 10.000 nitondra fiovana

Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny tsy fananan’ny tanora asa. Napetraka ny tetikasa OBS-Mada, mikendry ny tanora hanamafy ny fahaiza-mitarika, mba ho lasa mpivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina. Manohana ara-bola azy ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hanamafisana orina ny fandriampahalemana (PBF), eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fanatan­jahatena sy ny tanora, tantanan’ny Pnud sy ny vovonana MSIS Tatao sy ny fikambanana fiarahamonim-pirenena sa­mihafa. Tanjona ny hahatonga ny tanora handray andraikitra, hanam-piniavana, ka ho lasa atokisan’ny fiarahamonina.

Natao, omaly, teto Antana­narivo ny fihaonamben’ireo tanora nahazo fiofanana sy torohay, avy any amin’ny faritra maro teto amintsika. Ni­laza ny tale mpanatanteraky ny MSIS Tatao, Andriamo­ran­iaina Harijaona, fa maherin’ny 10.000 ny tanora nisitraka ny tetikasa OBS-Mada, 22 volana aty aoriana, raha 5.000 no noheverina tany am-piandohana. Nahomby ny nametrahana ny rafitra fanairana mialoha, mba hisorohana ny tranga mety hiteraka disadisa eo amin’ny fiaraha-monina.

Njaka A.

Partager sur: