Tobim-panafody : nolanian’ny loholona ny lalàna Voninahitsy

Nolanian’ireo loholona tsy nasiam-panintsiana, omaly, ny volavolan-dalàna 003-2021, mikasika ny fahasalamana natolotry ny solombavambahoaka ,Voninahitsy Jean Eu­gène. Isan’ny voarakitra ao ny asan’ny tobim- panafody (dépôts de médicaments). Na­siam-panovana amin’ny alalan’ity volavolan-dalàna ity ny andalana faha-4 sy faha-5 ary faha-6, ao amin’ny andininy faha-202. Milaza mantsy ireo lalàna ireo ny tokony hialan’ny tobim-panafody, rehefa tonga ny fivarotam-panafody na farmasia aty aoriana. Voalaza koa fa miala 10 km misy ny farmasia ny tobim-panafody. Voasoratra ao anatin’ny tolo-dalàna naroson’ny depiote Voninahitsy Jean Eu­gène ary, fa tsy miala eo amin’ny toerana misy azy ny tobim-panafody efa teo aloha, na tonga aza ny farmasia. Etsy andaniny kosa anefa, tsy azo atao ny manangana tobim- panafody aty aoriana, 10 km miala ny fivarotam- panafody.
Lany ity volavolan-dalàna ity taorian’ny fifandresen-dahatra, ary loholona iray ihany no nitsipaka. Efa nolanian’ny 98%-n’ny solombavambahoaka ity tolo-dalàna ity, ny taona 2021. Nilaza ny filoha nasionalin’ny Von­dron’ny tobim-panafody ma­tihanina eto Madagasikara (GProDMM), Razafima­nan­tsoa Nandriani­na, fa tsy nataon’ny loholona ambanin-javatra ny lafiny fahasalamam-bahoaka. Mbola ny tobim-panafody mantsy no mahenika ny distrika 119 eto amintsika, indrindra ny toerana lavitra sy saro-dalana.

Njaka A.

Partager sur: