Tranoben’ny tantsaha mpamokatra : antenaina ny fanohanan’ny minisitera masomboly sy fitaovana

Nanao ny fivoriambeny ny mpikambana ao anatin’ny filankevim-pitantanan’ny Tra­no­ben’ny tantsaha mpamokatra (TTM), ny 12 sy ny 13 desambra 2022 teo, teto An­tananarivo. Tafditra tao anatin’ny lahadinika noresahana ny mikasika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny mahazo ny tantsaha mpamokatra. Isan’izany ny firotsahan’ny havandra tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny 9 novambra 2022 teo, sy ny tany amin’ny faritra hafa, izay nanimba maro, indrindra ny fambolen’ny tantsaha. Koa, manoloana izany, nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny TTM, Rtoa Razafimbololona Angeline Lydia, fa manantena ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera mpiahy azy ireo, izay efa nisy hatramin’izay. Manentana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) izy ireo mba hijery akaiky ireo tantsaha niharam-boina, indrindra ny fitaovam-pambolena sy ny masomboly.

Antenimieran’ny tantsaha
Isan’ny voina mpahazo ny tantsaha koa ny dorotanety. Toy ny tany Ankarafantsika, Toamasina II, Atsimo Atsina­nana, Vatovavy Fitovinany, Diana, Alaotra Mangoro, sns.
Nasongadin’ny PCA ny TTM koa, ankasitrahan’izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera Minae, ny hivoa­han’ny volavolan-dalàna. Ani­san’ny voasoratra ao anatin’izany ny hampidirana ny TTM ho mpikambana ao anatin’ny Antenimieran’ny tantsaha mpamokatra, izay ho hatsangana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: