Fahiny fahagola, tsy mba nampiasa soratra an-taratasy ny Malagasy fa nanaja fatratra kosa ny teny nifanaovana. Antony maro sy mafonja ny nahatonga izany. Tao ny tsy fisian’ny soratra. Tahotra an’Andriamanitra Andriananahary. Tahotra ny tody sy ny tsiny ary ny ozona. Fifamatorana sy fihavanana tsy tiana ho rava… Niova tsikelikely izany taty aoriana ka nipoitra tetsy sy teroa amin’izay ny «raha tsy voasoratra, tsy manan-kery». Raha tsy hita ao anaty bokim-pianakaviana ny anaran-dray na ny anaran-dreny, «zaza sary», hono, ilay zaza. Tanin-drazana, nolovaina tamin’ireo ray aman-dreny nipoirana, saingy, rehefa tsy voasoratra any amin’ny sampandraharahan’ny fananantany, tsy an’ny taranaka aty aoriana intsony… Raha ireo no dinihina, nanova zavatra tokoa ny soratra.
Tsy ela fa vao nivalona andro vitsy ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra. Niteraka fanehoan-kevitra maro be ny momba ny ekipa frantsay izay nahazo ny laharana faharoa. Anisan’ny antony nahatonga izany ny soratra. «Lazaina fa ekipam-pirenena frantsay kanefa teratany afrikanina no mandrakotra azy», hoy ny sasany. «Resy i Afrika fa tsy ny Frantsay no resy», hoy ny hafa. Izany rehetra izany, noho ny soratra eo ambony taratasy hatrany. «Mizaka ny zom-pirenena frantsay ireny, noho izany, Frantsay», hoy ireo tia mamakafaka.
Raha ireo, ohatra, ireo no iaingana, toa «hafahafa» ihany ilay atao hoe «soratra». Maro ny zavatra noravany, fa tsy vitsy ihany koa ireo naoriny. Ny maha ratsy na ny maha tsara ny vokatra nentiny indray, miankina amin’ny tsirairay. Na izany aza, misy tranga ahatazanana fa efa zary fomba iainana ao anatin’ny fiarahamonina malagasy ihany koa ny fampiasana ny soratra. Tsy tokantrano ara-dalana, ohatra, raha tsy vita soratra. Tsy ambara ho «mahay» raha tsy mahazo mari-pahaizana voasoratra, sns. Nanova zavatra ny soratra !
HaRy Razafindrakoto