Seho avy amin’ny fo. Mahafehy tanteraka ny natolotr’i Anisha Jo, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena izay. Nalai-nisaraka tamin’ireo mpankafy izy, ary izay rahateo no antom-pisian’iny seho fahatelo, nandritra ny fandalovany an-tanindrazana iny. Noporofoiny indray, fa manan-kozaraina amin’ireo izay tia azy ity mpanakanto ity. Tsy niala teny aminy ny tsiky, nampiaina ny fampisehoana. Nohamafisiny ihany koa fa mitempo malagasy ny fony, ary izay no entiny mivelatra maneran-tany, raha mizotra mankany ny lalany amin’ny mozika.
Hira maroloko, notsongaina manokana, no natolotr’i Anisha Jo. Noho izay fikatsahana ny kanto ho an’ny mpankafy izay, maro dia maro ireo mpitendry niara-nisalahy taminy. Namoaka seho tsara homana ireo, ka na hira noforonina na hira nindramina, samy nanana ny rindra nampiavaka azy avokoa. Vao mainka nampiakatra ny hafanana ihany koa ny nampiakarany ireo vahiny tsy nampoizina, dia i Bodo izay raisin’i Anisha toa ny raiamandreniny eo amin’ny mozika. Teo ihany koa i Mirado, izay efa natoky azy hatramin’ny nanombohany, fony izy mbola teto.
Nahatontosa seho telo i Anisha Jo nandritra izao fandalovany an-tanindrazana izao. Hiatrika indray ny tohin’ny lalany eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny mozika ity mpanakanto be fitiavana ity.
Zo ny Aina




