Boky nalaza indrindra, sanganasan’ny Malagasy mpanoratra nalaza indrindra. Navoakan’ny edisiona Project’île indray ilay boky « Presques Songes » na « Sari-nofy », nosoratan’i Jean-Joseph Rabearivelo. Amin’ilay endriny amin’ny teny malagasy sy teny frantsay, toy ny namoahan’ny mpanoratra voalohany azy izany, ao anatin’ny pejy 80. Ho fampahafantarana izany, hisy ny hetsika hotontosaina mandritra ny « Salon du livre africain » any Paris, ny 16 marsa ho avy izao. Harahina fanehoan-talenta hataon’i Tao Ravao sy i Jean Luc Raharimanana izany.
Hanomezam-boninahitra ity Malagasy mpanoratra, nanasongadina ny tenin-drazany, niaraka tamin’ny fifehezany ny teny frantsay ity, io fotoana io. Ity bokin-tononkalo amin’ny teny roa ity rahateo no niparitaka indrindra maneran-tany, tamin’ny tambajotran’ny firenena miteny frantsay. Efa edisiona maromaro no namoaka sy nampiaina azy, ary mbola nahazo aina vao indray izany.
Zo ny Aina




