Fiaraha-miasa amin’i Egypte: hampitomboana ny isan’ireo hisitraka vatsim-pianarana

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely, ny ambasadaoron’i Egypte, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa.

Anisan’ny niatrika iza­ny fihaonana izany ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ity Andriam­pan­jakana ity, misahana ny fampiasam-bola sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, Rabetsaroana Sylvain. Ni­voitra tamin’izany fa mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny fanatanterahana ilay tetikasa lalambe migodana, mampitohy an’i Toamasina sy Antana­narivo, iarahana amin’ny orinasa egyptianina Samcrete ny fanamboarana izany. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ny sehatry ny fambolena, ny koltoraly ary ny fanabezana. Anisan’izany ny vatsim-pianarana ho an’ ny mpianatra sy teknisianina. Miisa 60 izany fanohanana izany eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana, ny lafiny tontolo iainana sy ny lafiny fanjarian-tsakafo. Mi­rary ny ambasadaoro mba hitombo ny isan’ireo hisitraka izany amin’ny taona ho avy.

Fametrahana ny fitoniana sy ny demokrasia

Etsy andaniny, anisan’ny nanampy tamin’ny fiatrehana ny valan’aretina Covid-19 sy ny tondra-drano vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ry zareo Egyptiani­na.  Nisaotra azy ireo amin’izany fanohanana sy fanampiana izany ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Ankoatra izany, nan­ka­sitraka ny filohan’ity Andrimpan­jakana ity ta­min’ny nandraisany anjara tamin’ny fihaonamben’ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro “Cop 27”, natao tany Egypte ny vahiny. Nampanantena ny tenany fa ho avy ny mpampiasa vola avy any Egypte hisehatra eo amin’ny angovo. Nisaotra manokana ny filohan’ny Antenimierandoholona ihany koa ny ambasadaoro noho ireo ezaka ataony mba hipetrahan’ny demokrasia sy fitoniana eto aminy firenena.

Synèse R.

Partager sur: