Fifaninanan’ny antoko mpihira : norombahin’ny Apal Bemasoandro ny voalohany

Tontosa ny alahady teo , teny amin’ny tokotanin’ny kaominina Bemasoandro ny fifaninanana hira ho an’ireo antoko mpihira, eo anivon’ny distrikan’Atsimondrano. Norombahin’ny Amboaram-peo akon’ny lanitra (Apal), antoko mpihira eo anivon’ny fiangonana katolika Bema­soandro Itaosy ny laharana voalohany tamin’ny sokajy “Open”. Lasan’ny “Grace choir” kosa ny teo amin’ny sokajy “Gospel”. Naharitra roa volana ny fifaninanana, nahitana antoko mpihira mi­isa 50 tany am-piandohana, ny oktobra teo. Nikarakara izany ny eo anivon’ny Atsi­mondrano “Gospel Song Compétition ». Samy notoloran’ny mpikarakara lelavola telo tapitrisa ariary avy ireo nahazo ny voalohany. No­mena fitaonana « Synthé­tiseur » kosa ny fiangonana nivoahan’ireo nibata ny fandresena tamin’ny sokajy “Open” sy “Gospel” ireo.
Nambaran’ireo nandahan-teny fa tsy tanjona ny fifaninanana hamoaka mpandresy. “Natao hanampy ny tsirairay hihatsara sy hampivoatra ny sehatry ny fiderana eto anivon’ny distrikan’Atsimondrano izao hetsika izao”, hoy izy ireo. Nambara tamin’izany fa andiany voalohany io fifaninanana nokarakaraina io. Efa nampanantena sahady ny ha­natanterahana ny andiany manaraka amin’ny taona ho avy ny mpikarakara.

Synèse R.

Voalohany teo amin’ny “Open” ny Apal, Ekar Be­ma­soandro. Nahazo ny 3.000.000 Ar. Faharoa ny APP ny FJKM Ifarihy, Anka­­­raobato, 1.500.000 Ar. Voa­lohany teo amin’ny “Gos­pel” kosa ny “Grace Choir” avy any Anjazamihi­ra Itaosy. Nisitraka ny 3 000 000 Ar. Faharoa ny “Voix de la louange” avy amin’ny VIF Iavoloha. Nahazo ny 1 500 000 Ar.

 

Partager sur: