Fiofanana arakasa : namoaka tanora miisa 152 ny INPF

Navoaka ny herinandro teo ireo tanora miisa 152, niofana teo anivon’ny INPF, Ivato. Nisalotra ny anarana “Avo” ity andiany faha-19 ity, rehefa niofanana nandritry ny roa taona. Notolorana ny maripahaizana “Brevet d’Etude Supérieur -BTS” , sy ny “Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée -DFPS” , ary ny “Diplôme de Formation Professionnelle continue-DFPQ’ izy ireo. Anisan’ny sehatra niofananan’izy ireo ny “Froid et Climatisation – Transit et Commerce International – Mécanique Automobile – Fi­nances et Comptabilité – Génie Mécanique et Mainte­nance Industrielle – Electro­ni­que et Informatique In­dustrielle – Electrotechni­que”. Nambaran’ireo nandahan-teny fa anisan’ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena ary mifanentana amin’ny tanjona apetraky ny minisitera izao fanofanana izao. Nankahery ireo mpitantana ny INPF rehetra ny ministra Rahan­tanirina Gabriella amin’ny fanamafisana ny ezaka efa vita. “Mba ho reharehan’ny eto an-toerana sy ny any ivelany ity ivontoeram-piofanana ity”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: