Loholona Besoa Erick : “Manohana antsika i Etazonia”

Anisan’ireo niatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy i Afrika, natao tany Washington DC ny filoha lefitry ny Ante­ni­mierandoholona, i Besoa Eric ny herinandro teo. Nam­barany fa nahavelom-bolo ny fihaonana. “Vonona ha­natsara sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Afrika i Etazonia, indrindra fa amin’ireo tena laharam-pahamehana iraisana maneran-tany”, hoy izy. Anisan’ny lohahevitra tamin’izany ny demokrasia sy ny zon’olombelona, ny fanalefahana ny fiantraikan’ny Covid-19 sy ny aretina hafa maneran-tany. Eo koa ny fampiroboroboana ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fametrahana ny fandriampahalemana. Ma­nampy izany ny olan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ary fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo Malagasy any Eta­zonia “Diaspora”.
Manamarika ny famerenan’ny fitondran’ny filoha amerikanina, Joe Biden ny fampiroboroboana ny toekarena ny fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy i Afrika.

Synèse R.

Partager sur: