Opération coup de poing: tratra ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, afakomaly maraina, teny Ma­roroho Tsimbazaza, ireo telo lahy mpanao trafikana rongony sady mifoka. Nandritra ny hetsika « opération coup de poing » ataon’ny polisy ma­noloana ny trangana tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina no nahatrarana ireto tambajotra mpanao trafikana zava-ma­hadomelina ireto. Tratra teo am-pifohana mihitsy izy telo lahy ireto raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Nana­mafy hatrany ny polisy fa mi­tohy ny hetsika opération coup de poing indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy fiandrasana ny taona vaovao izao satria isan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana re­hefa manakaiky fety toy izao. Niaiky ny he­loka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ireo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana satria mbola misy naman’izy ireo karohin’ny polisy.

J.C

Partager sur: