SOMBIM-BAOVAO

Ho toy ny lalao famarananakely ny fifanandri­nan’ny Disciples FC Espoir Analamanga sy ny GNFC Vakinankaratra, anio, etsy amin’ny Kianjan’i Elgeco Plus, By-pass. Fihaonana izay tafiditra anatin’ny andro fahafito, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa. Marihina fa laharana voalohany ny zandary ary fahatelo ny Disciples Espoir.

Raha tsy misy ny fiovana farany, higadona eto an-tanindrazana, anio, ny delegasiona malagasy Barea zandriny avy niatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena, “Fifa World Cup Festival U15”. Tsara ny mampahatsiahy fa nahazo vokatra tsara ihany ny Malagasy ary nitana ny laharana faha-37 amin’ireo firenena 189 nandray anjara ry zareo.

Notontosaina tetsy Arivonimamo, afakomaly, ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fanamoriana fiarakodia, “Run”. Nisongadina tamin’ity fifanintsanana ity i Rivo Aina, izay nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra. Vitany tao anatin’ny 8’’71 segondra ny halaviran-dalana 400 m.

Partager sur: