Sambava : Polisy monisipaly iray maty voafaokan’ny fiara

Tsy tana ny ain’ny iray tamin’ireo polisy monisipaly voafaokan’ny fiara tra-doza iray tao amin’ny RN5a, PK 385 + 850 tao amin’ny fokontany Sambava Centre, omaly maraina.

Nisy olana tampoka teo amin’ny familiana, ni­fatratra tamina polisy monisipaly nanatontosa ny fivondronana rehefa fiatombohan’ny herinandro tao amin’ny Fokontany Sam­bava Centre ny fiara kely iray. Nentina ramatoa, avy any Ambodisatrana ni­ka­sa hi­hazo an’i Ste Thérèse Sam­ba­va, ity fiara ity. Teo am-panantontosana ny fa­nombo­hana ny he­rinandro, tsy nisy nanampo inon’inona ireo polisy monisipaly ni­vondro­na hanao ny fananganan-tsaina niaraka ta­min’ny mpiara-miasa ami­ny. Kinan­jo, nipoitra tampoka efa nan­deha mafy ity fiara “Hy­un­dai” ity ka nifaoka ny dimy tamin’ireo polisy mo­ni­sipaly teo anoloan’ny la­pan’ny tanàna. Hatairana ny an’ny manodidina. Nifa­mon­jena arak’izany ireo voadona. Voa mafy ny iray tamin’izy ireo ka niezaka nanavotra izany ireo namany. Tsy tana anefa ny ain’ity farany noho ny ratra mafy nahazo azy.

Tsy nahiana ny ain’ny mpamily
Ankoatra io iray namoy ny ainy io, naratra mafy ireo olona efatra nofaohan’ilay fiara. Nentina notsaboina avy hatrany ao amin’ny CHRR Be­sopaka, Sambava ireto fa­rany. Tetsy ankilany, potika tanteraka ny fiara tra-doza. Naratra ny mpamily saingy tsy nisy nahiana ny ainy. Fo­toana vitsy taorian’ny loza, tonga nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana ao an-toerana sy ny mpitsabo. Nozahana ilay namoy ny ainy ka natolotra ny fianakaviany. Nogiazana kosa ilay fiara na­havanon-doza ary notanana atao fanadihadiana ilay mpamily.

Tsiferana R.

Partager sur: