Toamasina: jiolahy tratra nangalatra gana tao amin-dry Mompera

Asa avy hatrany! Nan­dray ny andraikiny hametraka fandriampahalemana ma­haritra ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny talem-paritry ny filaminana anatiny Atsi­nanana, ny kaomisera Rako­tovao Jean Christian amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona, hiandrasana ny taona vaovao izao. Nidina nihazo ny lalam-pasika, nitarika fi­safoana izy ny zoma alina teo hatramin’ny asabotsy ta­min’ny 4 ora maraina. Niza­ra ekipa ireo polisy nanohy ny asa fisafoana. Vokany, jiolahy maro sy tovolahy sy tovovavy tsy manana kara-panondro no indray voasambotry ny polisy tamin’io alina io. Trano fivarotana zava-pisotro misy alikaola no tsy maintsy nandraisana fepetra nakatona noho ny fihoaram-pefy fisokafana mihoatra ny amin’ny 10 ora alina. Anjatony ireo fiara nandalo fisavana mba hisorohana ny fivezivezen’ny basy sy ireo jiolahy. Jiolahy roa no nifanehatra tamin’ny ekipan’ny Fip tao Tsaraho­ne­nana avy nangalatra gana sy milina fampiakaran-drano tao amin’dry mompera. “He­tsika ezahina hotohizana ha­tramin’ny taom-baovao mba hilamin-tsaina ny mponina hiatrika ny fety. Hametra­hana polisy isaky ny fiangonana rehetra mandritra ny fotoam-pivavahana ny sasakalin’ny Noely ary ny trano fandraisan-danonana ny fa­ran’ny taona, araka ny fanazavan’ny kaomisera Rakoto­vao Jean Christian ihany.

Sajo

Partager sur: