Basikety: nandresy ny DTSC ny Ankoay U19

Niatrika lalao fitsapana, nanoloana ny ekipan’ny DTSC, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny Ankoay sokajy lehilahy. Nahavelombolo ny vokatra azony satria nandresy tamin’ny isa 68 no ho 42, nanoloana ny DTSC,. Fandresena azo lazaina ho tsara satria hita taratra ny fahaiza-miaraka eo amin’ny mpilalao na dia mbola misy aza ny lesoka mila harenina, araka ny fanazavan’ny mpanazatra ny Ankoay, taorian’ny lalao. Tafiditra anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, hatao ny taona 2023, amin’izao ny Ankoay U19 sokajy lehilahy. Ao anatin’ny fampivondronana voalohany ireo mpilalao malagasy voafantina 14 mirahalahy,. Fitsapana voalohany natrehan’izy 14 mirahalahy iny fihaonana tamin’ny DTSC ary mbola maro ny lalao fitsapana vinavinaina hatao, amin’izao fampivondronana izao. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fampivondronana voalohany ity izay hifarana ny fiandohan’ny taona 2023 ary hiroso tsy ho ela amin’ny tohin’ny fanomanana ny Ankoay U19.

Mi.Raz

Partager sur: