Mois : décembre 2022

Anosiala – Ambohidratrimo : nirefotra ny basy, jiolahy roa maty

Nirefodrefotra ny basy. Lavon’ny zandarimaria ireo roalahy nikasa handroba “villa” tetsy Andranomanga Anosiala ny zoma alina teo. Maty voatifitra rehefa tratra teo am-pianihana tambohon’ny “Villa” iray tetsy Andrano­manga, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohitratrimo, ny alin’ny zoma teo. Efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina, nitily toeram-pivarotana ireto jiolahy ireto. Nahatsika­ritra izany, nampandre avy hatrany […]

Tselatra

Tratran’ny polisy ny jiolahy iray nangalatra varavaramby teny Alasora ny asabotsy teo. Maro ireo olona velon-taraina fa very varavaramby eny Alasora sy ny manodidina. Ny alin’ny asabotsy teo no fantatra fa nisy nangalatra ny varavaramby an’olona mipetraka eny amin’ny manodidina ny tetezana hiditra By-pass. Tratran’ireo polisy nanao fanamiana sivily teny […]

Fanendahana eny Isotry : vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy tratra

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny asabotsy 17desambra 2022 teo ny andian-jiolahy (vehivavy ny iray) malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy. Miara-misalahy hatrany ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny polisim-pi­renena mba hisian’ny fandriampahalemana. Nametraka ny paikady rehetra ny polisy mba hahafahana misambotra ireo jiolahy amin’iny […]

Antohomadinika : lehilahy mpamaky trano voasambotra

Voasambotry ny polisy, oma­ly tamin ‘ny 2 ora maraina ny lehilahy iray avy namaky trano tetsy Antoho­ma­dinika, fokontany III G Hangar. Nifanena tamin’ny lehilahy iray nitondra entana maro samihafa ny Polisy avy ao Antaniavo Antohomadi­nika rehefa nanao fisafoana an’anelakelantrano. Nampia­hiahy ny mpitandro ny filaminana izy ity ka nosavaina ireo entana […]

Fitrandrahana an-tsokosoko: sarona ny voamboana 180 tsy ara-dalàna

Tra-tehaky ny zandarimaria, avy ao Fetraomby, ny talata tamin’ny 03 ora tolakandro teo, ireo zahatra miisa valo nitondra hazo sarobidy marobe. Nalefa teny amin’ny re­niranon’Ambinanintsaraha, koaminina ambanivohitra Fetraomby, distrika Brickavil­le ireo zahatra ireo ka nisy nahatsirakitra. Efa voaomana tsara ity teti-dratsy ity. Tsara fatotra sy voaafina tsara avokoa ireo hazo […]