Mois : décembre 2022

Andrianiaina Arnaud : nahazo ny mari-pahaizana Memos

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fianarana nataon’Andriainiaina Arnaud, mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena ka naha­zoany ny diplaoma «Memos (Master Exécutif en Mana­gement des Organisations Sportives», izay naharitra herintaona tao amin’ny oniversite Lunex Luxembourg Paris. Mari-pahaizana faratampony omen’ny Komity iraisam-pirenena Olympika ny Memos, rehefa avy niatrika ny «Cours des dirigeants […]

Basikety-Africa Cup 3×3 : hotsenaina makotrokotroka ny Ankoay

Sambany teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy ny nahazoan’ny Ankoay lehilahy, ny tapakila amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika mantsy ny ekipa ma­lagasy lehilahy, nandritra ny fifaninanana “Africa Cup 3×3” natao tany Egypta, ka tafita avy hatrany amin’ny “Mondial” 2023 hatao any Australia. Tompondaka […]

Tenisy – Mada 2022 : mpilalao 120 hiady izay ho lohany

Taorian’ny fifaninanam-pirenena, sokajy Junior notanterahina teto Antananarivo, ny volana novambra lasa teo, nanomboka omaly alatsinainy tany Antsirabe indray ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ho an’ny sokajy rehetra. Fifaninanana hamaranana ny taona 2022, ihany koa ary hetsika faharoa nokarakarainy, taorian’ny nahavoafidy azy ireo, hitondra ny tenisy malagasy. Miisa 120 ny mpandray […]

Lutte – «Tournoi International de Madagascar»: Nosongonan’i La Réunion ny Malagasy

Nosedraina tamin’i La Réunion ny mpanao lutte malagasy, latsaky ny 17 taona. Fifaninanana hitarafana ny haavo teknikan’ireo kilonga eo amin’ny firenena roa tonta. Resin-dry zareo ny Malagasy, tamin’ity. Notanterahina ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja mita­fon’Ankorondrano ny «Tour­noi International de Mada­gascar», taranja tolona, ho an’ny sokajy zandriny U17 lahy […]

Mpilatsaka an-tsitrapo: nanaovana asa tanamaro ny fankalazana

Nomarihina, omaly maraina, ny ivon’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo. Ankalazaina isaky ny faha-5 desambra ka nanaovan’izy ireo asa tanamaro, tafiditra anatin’ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina. Nana­diovana ny faritra manoloana ny ORTM (Ofisin’ny Radio Televiziona Malagasy) Anosy. Hajarian’ny minisitera ho zaridaina ny toerana aorian’izao hetsika izao. Ankoatra […]