Mametraka tanjona ny hampivondrona ireo teratany sinoa ny “Association des chinois à Tananarive – ACT”. Maherin’ny 700 ny isan’ireo teratany sinoa mivondrona ao anatin’izany, tarihin’ny birao vaovao, miaraka amin’i Sam Tio James. Nilaza ny hanohy ny asan’ny teo aloha izy ireo amin’izao dimy taona manaraka izao. Eo ny asa sosialy […]
Mois : décembre 2022
Hetsika CRCO-CRFIM: sambo miisa 19 nampiahiahy taty amin’ny ranomasimbe Indiana
Natao ny 14 hatramin’ny 19 desambra teo, ny hetsika an-dranomasina, niarahan’ny Foibem-paritra mandrindra ny asa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana (CRCO) any Seychelles, miara-miasa amin’ny Foibem-paritry ny fampifandrasaina ny antontam-baovao an-dranomasina aty Madagasikara ary ny iraka EUNAVFOR Atlanta. Nomena ny anarana hoe Levante ity hetsika an-dranomasina vaovao ity. Notetezina […]
Faritra Ihorombe: tokony hisy fanodinam-bokatra maro
Mamokatra betsaka sady tsara ny faritra Ihorombe. Ankoatra ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra Ihorombe iny. Manambara izany ireo harena samihafa, toy ny Roche lodge mahasarika vahiny maro. Manan-karena ambanin’ny tany isan-karazany koa izy, toy ny safira tsara kalitao indrindra. Manome asa ny eto an-toerana daholo ireo, ary mbola azo jerena […]
COI -Madagasikara filoha am-perinasa: manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny UE sy ny Frantsay
Madagasikara izao ny filoha am-perinasa ny COI (Commission de l’Océan Indien). Niantso fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mpikambana ao amin’ny COI ny Malagasy ny 22 desambra 2022. Fivorina azo narahin-davitra (en ligne). Io fivorina tsy ara-potoana io no nahafahana nandray fepetra mialohan’ny fanavaozana ny COI. « Ranomasimbe Indianina ifampizarana », […]
CBD Cop15: faritra arovana 30 mialoha ny 2030
Nankatovian’ny firenena miisa 196, ny 19 desambra teo, ny « Fifanarahan’i Kunming-Montréal », antsoina koa hoe « Fifanarahana ho an’ny fandriampahalemana miaraka amin’ny tontolo iainana ». Tafiditra ao anatin’ny fivoriamben’ny firenena, CBD Cop 15 ity natao tany Montréal, Canada ity. Naharitra efa-taona ny ady hevitra, ny fifampiraharahana samihafa nandinihina ity, CBD Cop 15 ity, […]




