Année : 2022

Africa Cup 3×3: nanainga omaly ny ekipa malagasy

Hanomboka afaka andro vitsy ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny taranja basikety lalaovin’olona telo “Open”. Fifaninanana hatao ny 3 sy 4 desambra izao any Le Caire Egypta. Hiavaka ny fandraisana anjaran’i Mada­gasikara amin’ity. Manana solontena amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy mantsy i Madagasikara, hiaro ny voninahi-pirenena. Nanain­ga omaly ny […]

Rugby: hisokatra amin’ny taranja hafa ny RCTS

Raha ny rugby no hahalalana ny RCTS (Rugby Club Tanora Soavimasoan­dro), hatramin’izay, fantatra izao fa hisokatra amin’ny taranja hafa indray izy ireo, manomboka izao. Io no nam­baran’Andrianarisoa Avotra, filohany, nandritra ny andro natokana ho fisaoarana ireo mpiara-miomban’antoka, natao ny asabotsy lasa teo, teny Imamba Soavimasoan­dro. Fantatra ary fa hanangana ivontoeram-piofanana […]

Volley-GNVB lahy sy vavy: samy hiatrika ny CCCZone 7

Tsara ny vokatra ho an’ ny ekipan’ny GNVB (Gen­dar­merie Nationale de Vol­ley Ball), tamin’ity taona 2022 ity, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny GNVB, Chef d’escadron Comman­dant Fortunat, tetsy Beton­golo, omaly. Anisan’ny ni­songadina indrindra ny fandraisana anjara voalohan’ny GNVB vehivavy, teo amin’ ny sokajy 1ère Division, izay nisalotra ny tompondaka lefitra […]

Rallye Bosch CT Motors: hiady izay ho tompondaka i Mathieu sy i Fred

Hamarana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja familiana fiarakodia ny Rallye Bosch CT Motors. Hanana ny lanjany izany satria hamaritra izay hisalotra ny ho tompondakam-pirenena 2022. Hotanterahina ny 9 ka hatramin’ny 11 no­vam­bra ho avy izao ny Rallye Bosch CT Motors. Dingana farany hiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­kara. Fantatra […]

Tapis mohair: vidiana 20 000 Ar ny kilaon’ny volon’osy

Misedra fahasahiranana ny famokarana ny tapis mo­hair any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mitantara ireo mpisehatra fa mihasarotra ny fitadiavana volon’osy. Miha­ratsy ny volon’ireo osy noho ny tsy fahampiana sakafo haniny sy rano sotroiny noho ny haintany mivaivay any an-toerana. Mitantara i Limbesoa, mpa­nenona tapis mohair ao Am­panihy, fa vidian’ny mpam­piasa […]