Année : 2022

Gripa mahery : tsy tonga mianatra ny antsasaky ny mpianatra

Mamely ny ankizy madinika ny gripa mahery. Lasi­batra ireo ankizy any am-pianarana. Raha misy anankiray voan’ny gripa dia mifindra amin’ny ankamaroan’ireo mpi­anatra izany. Manomboka tsy mianatra tsikelikely ny ankizy. Tonga amin’ny fanaviana ka mitarika ny ankizy tsy afaka manohy mianatra anaty fotoana elaela. Saika ny antsasaky ny kilasin’ireo ankizy madinika […]

COVID 19: mila averina ny arovava orona

Nanambara ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely fa manoloana ny fiakaran’ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro maromaro farany, tokony handray ny fepetra mifandraika aminy ny tsirairay. Tsy mbola natsahatra ny fepetra sakana hiarovana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 fa nankinina tamin’ny fahendren’ny isam-batan’olona ny fampiharana izany. Hiditra […]

Fiovan’ny toetr’andro sy ny loto:129 ny valanaretina niseho tamin’ity taona ity

Mirongatra ny valanaretina samihafa manerana izao tontolo izao tao anatin’ny dimy taona farany. Mila manana paikady hiatrehana izany ny firenena tsirairay. 129 ny valanaretina niseho manerana izao tontolo izao, tamin’ity taona ity, raha 106 izany tamin’ny taon-dasa, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Société infectieuse de Madagascar (Spim), profesora Randrianasolo […]

IORA : hampivelatra ny fiaraha-miasa ara-barotra

Nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo minisitra mivondrona eo anivon’ny IORA na ny « Indian Ocean Rim Association » andiany faha-22 natao tao Bangladesh, minisitry ny Raharaham- bahiny misolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, na­nom­boka ny 22 novambra teo. Nifototra tamin’ny fikatsa­hana ny tombontsoa iraisan’ ny firenena mikambana ity fihaonambe ity. Anisan’izany ny fampivelarana […]

“Play Your Airport”: tetikasa mitondra fanavaozana sy azo tanterahina

Nampanao fifaninanana “Play Your Airport” ny Ravi­nala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eo Ivato sy Nosy Be. Ny 25 novambra teo natao ny famaranana ka nankatoavina nahazo loka izay tetikasa mitondra any amin’ny fanavaozana momba ny fandraharahana ao amin’ny seranam-piaramanidina, fitaratara aty amin’ny ranomasimbe indianina. Nisokatra ho an’ny mpianatra sy […]