Année : 2022

Halatra taolam-paty: jiolahy roa maty voatifitra

Jiolahy enina mpivarotra taolam-paty tratry ny zandary tao Ambohipihaonantsoa, afakomaly tokony tamin’ny 11 ora alina. Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy miisa roa nanao asa ratsy. Nahafa­hana nisambotra azy ireo ny vela-pandrika nataon’ireo zandary. Tsiahivina fa nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona mitady mpividy taolam-paty any efa ho herinandro mahery […]

Haintrano mahatsiravina: entana manodidina ny 700 tapitrisa Ar may

Nijoalajoala ny afo tao amin’ny fokontany Avaradro­va, kaominina Ambatondra­zaka, omaly. Nanomboka tamin’ny 03 ora sy fahefany maraina teo ny afo ka nandravarava trano fivarotan-kazo ao an-toerana. Vokany, may avokoa ny faritry ny tokotany eo amin’ny 50m2 misy ity tranom-barotra ity. Kilan’ny afo ny entana rehetra, ireo masinina, entam-barotra sy trano […]

Valizin’ny filoham-pirenena: nohadihadina lalina i Mahery Lanto Manandafy

Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Mahery Lanto Manandafy. Raharaha “valizin’ny filoham-pirenena” no nampiantsoana azy. Naverina eny Antanimora izy. Niverina teny amin’ny fitsarana, omaly ma­raina, i Mahery Lanto Manandafy na i Malama. Nanaovan’ny mpitsara mpanao famotorana fanadihadiana momba ny raharaha « valizin’ny filoham-pirenena » izy. Naharitra adiny iray mahery ny fakana […]

Eco brèves

La circulation est rétablie sur la RN 6, entre Port Bergé et Antsohihy. Le pont Mabey a bien été installé sur cet axe, au PK 202+200. L’effondrement de la chaussée au niveau de ce point kilométrique à cause du mauvais temps, a paralysé la circulation depuis la semaine passée. Obligeant […]