Année : 2022

Fetin’ny Noely Fampisehoana “Arbre de Noël”, nitondra aim-panahy”

Nahazo aim-panahy vaovao ny ankizy nandritra ny fankalazana ny Noely. Nasehon’izy ireo tamin’ny fampisehoana “Arbre de Noël” izany. Toy ny isan-taona, nikarakara hetsika “Arbre de Noël” nandraisan’ny ankizy anjara ireo mpanabe eny anivon’ny fiangonana rehefa fotoanan’ny Krismasy. Noely niavaka ny  tamin’ity taona ity raha ny zavatra hita sy nasehon’ny ankizy. […]

51 ny tranga vaovao: iray lavon’ny Covid-19

Iray indray no lavon’ny valanarerina Covid-19, ny herinandron’ny 17 ka hatramin’ny 23 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 51 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 717.  Mahatratra117 ny olona marary amin’izao fotoana izao ka ny telo amin’ireo anatin’ny tranga sarotra avokoa. Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny […]

Mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana: novelomina ny fikambanana, filoha vaovao i Randrianarivelo Fidy

Firenena 58 no efa nampiditra ny tenin’ny tanana ho isan’ny teny Ofisialy ao aminy ka azo ampiasaina amin’ny raharaham-panjakana ary misoratra anatin’ny Lalampanorenana. Ireo firenena mandroso no tena miroso amin’izany ka ahitana firenena afrikana ihany koa toa an’i Kenya. “Eto Madagasikara, mbola tsy misy fepetra manery ny fanjakana na ny […]

Iasan’ny mpampianatra mpikaroka: gaboraraka ny fitantanana ny ala arovana

Gaboraraka ny fiarovana ny ala arovana, nosokajiana hanatontosana fikarohana, ka mitarika fahasimban’ny ala sy zava-maniry ary ny biby hanaovana fikarohana.”Ilana fampiharana lalàna avokoa izany”, hoy ny fanehoan-kevitr’ ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nanaovana fanadihadiana, teto Toamasina, nandritra ny fametrahana ny filohan’ny oniversiten’ i Barikadmy vaovao tao Toamasina sy teto Antananarivo. […]

Basikety-Ankoay U19: haharitra 10 andro ny fampivondronana voalohany

Mafy ny fanazaran-tena hatrehan’ny Ankoay U19 lehilahy, amin’izao fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety izao. Haharitra 10 andro ny fampivondronana tapany voalohany, hataon’ireo mpilalao 14 mirahalahy. Araka ny fandaharam-potoana, manatanteraka fanazaran-tena indroa isan’andro etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ireo mpilalao, miaraka amin’ny mpanazatra , tarihan’ny Coach Randria Aimé, […]