Hasarotam-piaro : Noleran-drangahy antsy ny kibon’ny vadiny

Naratra mafy notsatoham-badiny antsy ny renim-pianakaviana iray tao Dépôt, kaominina Toamasina, faritra Atsinanana, omaly atoandro. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy.

Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly ny renim-pianakaviana iray voatsindona antsy teo amin’ny kibony, tao Dépôt, Toamasina, omaly atoandro. Tsy lavitra ny toeram-piasan’io ramatoa io, nifamaly tamin’­ilay rangahy vadiny izy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nilamina ny resaka teo amin’ny roa tonta. Nitondra antsy ilay raim-pianakaviana. Notsindrominy tampoka tamin’­io zava-maranitra io ilay vadiny. Nitangorona ny fokonolona ka nanavotra avy hatrany ilay ramatoa izay voa mafy. Nentin’izy ireo nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany ny naratra ary nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tetsy ankilany, nosamborin’ny fokonolona ilay lehilahy nahavanon-doza. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity farany saingy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana niaro azy sy nitondra azy natao fanadihadiana.
Narahiny avy aoriana
“Niala ny trano hamonjy toeram-piasana io ramatoa io, ny maraina”, hoy ny loharanom-baovao marim-pototra voaray. Narahin’ilay rangahy vadiny izy, tamin’io fotoana io. Nifanojo tamin’ny lehilahy izay olom-patany anefa io ramatoa io ary niresaka. Tsy nisy alaharo, niakatra hatezerana ilay rangahy. « Tratra anao izao hoy izy », araka ny fanazavana voaray. Niafara tamin’ny disadisa sy tsatoka antsy. Tsy fantatra mazava raha toa ka efa nisy fifanolanana teo amin’izy mivady. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ilay ramatoa ka tsy mbola azon’ny mpanao gazety nifa­mpiresahana momba ity tranga ity.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: