Avaradrova: tratran’ny polisy ireo jiolahy mpangala-jaza

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mo­rondava tao amin’ny fo­kontany Avaradrova Moron­dava, ny alatsinainy teo ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina hala-jaza. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay antso an-tarobia ny polisy miasa ao amin’ ny kaomisaria foibe Moron­dava fa misy lehilahy mampiahiahy tompon’antoka tamina fangalaran-jaza tao amin’ ity fokontany ity tamin’io fotoana io. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina haingana tao amin’ny toerana voalaza fa misy ireto jiolahy ireto. Efa vory lanona ny fokonolona ary nanomboka ny fikasihan-tanana ireto voarohirohy. Tonga ara-potoana anefa ny polisy naka azy ireo fa raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka. Noentina namonjy hopitaly avy hatrany izy roa lahy notsaboina, noho ny ratra mafy nahazo azy. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, fantatra ny momba ilay zaza very. Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: