“Loko iray”: Seho hafa ho an’ny tanora

Misy endri-tseho maro, hikendrena ny tanora. Iray tamin’ ireny ny “loko iray”, notontosaina ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nate Tex, Njara Marcel, Nampoina, Ayam ary Johanne. Tarika tanora, ankafizin’ny tanora, fa milalao mozika manara-penitra avokoa. Nanokatra ny seho ilay hira tambatra, niarahan’ireo tarika. Samy nitondra ny azy manokana kosa taorian’izay, ary namaly ny filan’ny ireo mpankafy. “Amin’ny fo”, “Tsy avelako”, hoy i Johanne. “Manana finoana”, “Ihafiako”, Mpiarakandro”, ny an’i Njar Marcel. “Silaka fanahy” niarahan’i Nampoina sy i Nate Tex, ary niarahany tamin’ireo mpankafy rehetra. Ampahany ihany ireo, satria samy nanana ny anjara ny tarika tsirairay.
Nandrasan’ny rehetra kosa ny fampiaraham-peo. “Mionona” nataon’i Nate Tex sy Njara Marcel. “Tsy afaka”, nataon’i Njara Marcel, Ayam, Johane ary Nampoina. “Mirary soa”, niarahan’ny mpanakanto teny an-tsehatra. Voahaja ny “Loko iray”, tanjona tamin’ny hetsika, ary tratra ny tanjona, dia ny hizara kanto tsy fahita firy ho an’ny mpankafy.

Zo ny Aina

Partager sur: