TARATRY ny KANTO

Hanomboka anio ny « Hadimiana San­dra­tra ». Tohin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny ma­la­gasy » izy ity, izay karakarain’ny Faribolana Sandratra. Mandritra ny dimy andro ny hetsika, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hisy ny seho ara-javakanto, aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, anio amin’ny 2 ora sy sasany. Rahampitso kosa ny velakevitra voalohany, iarahana amin’i Rado Ramaherison, poeta mitady ny very.

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ilay boky « Lahabôlana Betsimisaraka », nosoratan’i Elisé Ro­muald. Hampahafantarana ny karazana literatiora am-bava misy ao amin’ny foko betsimisaraka izy ity, toy ny rasavôlana, ôhabôlana, angano, korambe, ankanônôno, sns. Narahina seho nanehoana ny kolontsaina betsimisaraka ihany koa izany, tetsy amin’ny Tranom­bokimpirenena. Tafiditra hatrany anatin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » sy ny hetsika « Tsenan’ny boky » izay nifarana ny sabotsy teo izany.

Nampandalovina tao amin’ny Tranoben’ny Kolontsaina ao Mahajanga, ny nofo mangatsiakan’i Hery Signature, ny alahady teo. Ny alakamisy 5 jona no nodimandry ity mpanakanto, zanak’i Clo Mahajanga izay nandimby azy teo amin’ny mozika ity. Taorian’izay, nihazo an’Ambohimangakely Antananarivo, toerana nandevenana azy ny vatana mangatsiakan’i Hery Signature.

Partager sur: