Fety tsy ialana loza ! Nanjaka tanteraka ny tsatok’antsy sy vonoan’olona, tao Toamasina, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny taona
Nilamindamina ny fiatrehan’ireo mpiasan’ ny fahasalamana ny fiandrasan-draharaha tao amin’ ny sampana vonjy taitran’ny Hopitalibe Toamasina, ny alin’ ny 31 desambra 2022 sy ny taom-baovao 2023. Nahazo vahana kosa ireo nila vonjy tampoka tao an-toerana, noho ny ratra maro isan-karazany. Nahatratra 77 ireo tsy maintsy nandalo teo anivon’ity sampana ity nandritra io roa andro io ka ny 35 tamin’ireo no tsy maintsy naiditra hopitaly. Nisy fiakarany koa ny ratra vokatry ny tsatok’antsy sy voakapoka hazo izay miisa 21. Enina kosa ny ratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, efatra ratra vokatry ny fianjerana an-dalambe, iray kosa ratra tao an-tokantrano raha roa ny olona tsy nahatsiaro tena vokatry ny hamamoana diso tafahoatra. Iray tao amin’ny hopitalim-panjakana raha teny amin’ny amin’ny hopitaly tsy miankina ao Mangarano ny hafa. Niakatra ny fahafatesana teny rehetra teny, tsy nandalo hopitalim-panjakana na tsy miankina izay anjara andraikitry ny BMH ny manao ny fizahana izany. Valo ireo olona namoy ny ainy tany an-tokantrano, roa tamin’ireo maty an-drano, ny ambiny kosa vokatry ny aretina mitaiza (ny Syndrome, ny AVC, Hépatite, Hypoglycémie, Insuffisance rénal) sy vokatry ny fisotroana toaka diso tafahoatra. Miisa 10 araka izany ny olona namoy ny ainy nandritra ny roa andro tamin’iny fety iny, araka ny antontan’isa navoakan’ny teo anivon’ny Hopitalibe Toamasina hatrany.
Andian-jiolahy maro no voasambotry ny polisy satria 40 indray naiditra violon, noho ny fandikan-dalàna nataon’ izy ireo. Nisy tamin’izy ireo nampodiana avy hatrany rehefa vita ny famotorana, tao ireo tsy maintsy natolotra ny fampanoavana.
Sajo/J.C