Mila hamafisina sy hatsaraina ny fitaterana an-dranomasina ireo entam-barotra manerana
ny Nosy. Ny tanjona dia ny hampihena ny saram-pitaterana sy hanatsarana ny famatsiana.
Hatramin’izao, mbola ampahany vitsy kely amin’ny Malagasy no mahita tombony amin’ny fitaterana an-dranomasina, nefa Nosy i Madagasikara. Ary tsy voafaritra mialoha ny ora eo amin’ny fitaterana sy betsaka ny loza mety hitranga. Nefa goavana ny tombontsoa avy amin’ny fitaterana an-dranomasina, hahazoana mitondra entana aman-jatony taonina maro amina sambo iray, ary afaka mitohy tsy tapaka
Noho izany, nankinina amin’ny CPCS* orinasa iraisam-pirenena, ny asa fitaterana an-dranomasina mba ho azo antoka ny fanatsarana ny fitaterana manodidina ny Nosy. Nozahana ny mety ho fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpitatitra eto an-toerana, sy ireo mpanondrana entana any ivelany, maniry ny fivoarana miaraka amin’io sampandraharaha iraisam-pirenena io.
Vahaolana iray napetraka ny fizahana ny faritra manan-ko raisina betsaka, izay misy akony goavana eo amin’ny fampandrosoana. Tsy atao an-kilabao koa anefa ireo seranan-tsambo tsy ahitana mpitrandraka firy fa hanaovana fanadihadiana lalina. Ankoatra ny fanadihadiana ny toe-bola sy ny lanjam-barotra, jeren’ny CPCS ny seranan-tsambo sy ny fitahirizam-bokatra ao aminy
Noho izay fiaraha-miasa izay, hisy ny fitaterana an-dranomasina azo antoka. Tokony hampihena ny vidin’entana izany, indrindra ireo nafarana. Etsy andaniny, hitombo ny fahafahana manondrana avy amin’ny morontsiraka maro manerana ny Nosy. Fehiny : mihatsara, araka izany, ny fari-piainana rehefa manatsara ny toekarena ny fitaterana.
Ndrina
CPCS* : Misahana fotodrafitrasa sy tetikasa lehibe : fitaterana, angovo, fiaraha-miasa fanjakana sy tsy miankina.