Miisa dimy ny faritra tena tratry ny doro tanety sy ala eto Madagasikara. Araka ny antontanisa avy amin’ny Foibe mitantana ny antontam-baovao mikasika ny afo sy ny fambolen-kazo (COGFR) ho an’ny taona 2021, voalohany tena nahitana afo ny faritra Betsiboka, latsaky ny 500.000 ha. Faharoa, ny any Atsimo Andrefana (410.000 ha), fahatelo Menabe (maherin’ny 400.000 ha), fahefatra Melaky (400.000 ha) ary fahadimy Bongolava (latsaky ny 400.000 ha).
Raha atao indray mijery ireo faritra dimy voalohany ireo, hita fa any amin’ny ilany andrefana sy atsimon’i Madagasikara daholo ny efatra voalohany, miampy ny any Bongolava afovoany atsimon’Antananarivo, sady mifanakaiky amin’i Melaky.
Vitsy indrindra ahitana doro tanety sy ala kosa ny any amin’ny ilany atsinanana, toy ny any Fitovinany, Analanjirofo, Vatovavy, Sava, Atsinanana, Atsimo Atsinanana, samy latsaky ny 100.000 ha.
Ankarafantsika sy Menabe Antimena
Araka ireo faritra ireo, anisan’ny tena mirongatra isan-taona any amin’ny faritra Betsiboka ny doro ala amin’ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika. Midadasika indrindra eto Madagasikara kosa ny faritra Atsimo Andrefana, ka samy misy ny doro ala sy ny doro tanety.
Isan’ny tena tratry ny doro ala isan-taona koa ny any Menabe, ahitana ny faritra arovana Menabe Antimena (APMA). Mirongatra tsy ankiato ny fandripahana ny ala, na efa am-polony aza ny fikambanana sy ONG tsy miankina eto an-toerana sy iraisam-pirenena miasa any, miezaka miaro ny tontolo iainana.
Njaka A.