Noraisin’ny minisitry ny Indostria, ny varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, teny Ambohidahy, ny Ambasadaoro tiorka, Ishak Ebrar Çubukçu. Dinika nifanaovana mikasika ny fifanakalozana ara-barotra sy fiaraha-miasa indostrialy. Nambaran’ny minisitra ireo vokatra tena ahafantarana an’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, dia ny lavanila, jirofo, kakao, letisia. Nahoana raha manjifa mivantana ireo aty Madagasikara i Torkia ?
Tsara kalitao indrindra, ohatra, ny lavanila eto Madagasikara, mameno hatramin’ny 70 % ny tsena eran-tany. Mamokatra kakao tsara koa i Madagasikara, antony hanaovana ny fivoriana iraisam-pirenena eto Antananarivo amin’ny volana jiona ho avy izao. Koa tolokevitra naroson’ny minisitra ny hidiran’ny mpandrahara “turk” hampiasa vola amin’ny fanodinana ireo vokatra ireo, indrindra fa ny lavanila sy ny jirofo.
“Hatramin’ny nisokafan’ny masoivoho eto Antananarivo, efa manodidina ny 102 tapitrisa dolara ny fifanakalozana teo amin’ny firenena roa tonta, ary azo hampitomboina io tarehimarika io”, hoy ny Ambasadaoro. Nilaza izy fa hanomana lisitra ary hifandray mivantana amin’ireo izay hita fa mety liana eto Madagasikara. Na manomana fihaonana mivantana eo amin’ny sehatra tsy miankina avy eto Madagasikara sy ny mpandraharaha “turk”.
Ao anatin’ny tetikasa Odof (one district one factory), nilaza ny minisitra fa mitady fiaraha-miasa amin’i Torkia. Vonona ny Ambasadaoro hampitombo ny fifanakalozana eo amin’ny tany roa tonta, araka ny andraikitra apetraka aminy.
Ndrina