Kakao avy eto Madagasikara : tsara kalitao saingy tsy betsaka ny vokatra

14 783 t ny kakao avy eto Madagasikara naondrana tamin’ny 2021 nampiditra 24,5 tapitrisa dolara. Tsara kalitao ny vokatra any Ambanja, saingy tsy betsaka. Araka ny tarehimarika navoakan’ny Cnu­ced, tsy misy afa-tsy 0,12 % monja amin’ny vokatra eran-tany ny avy eto Madagasikara, tena mbola lavitry ny vokatra avy any Côte d’Ivoire sy Ghana izay manome 2/3 ny vokatra eran-tany.
Navoitran’ny minisiteran’ny Indostria, varotra, sy fanjifana (MICC) io fahatsaran’ny vokatra kakao avy eto Mada­gasikara io. Tsy betsaka ny vo­katra avy eto an-toerana nefa nahazoana famantarana « ca­cao fin » aty Afrika. Ny fivoriamben’ny ICCO (1) hatao eto Madagasikara amin’ity tao­na ity, tokony hararaotina hanomezana vahana ny lafiny rehetra ny « cacao fin » avy eto Madagasikara.
Faha-24 i Madagasikara amin’ny filaharana eran-tany amin’ireo mpanondrana ka­kao, araka ny nanasokajian’ny EDBM (2) azy.

Ndrina
ICCO (1) : Organisation internationale du cacao
EDBM (2) : Economic Development Board of Madagascar

Partager sur: