Tae-kwon-do WT – «Mada 2023» : Nanjakan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana

Nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny ligin’Analamanga, teo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja Tae-kwon-do WT. Saika noraofin’izy ireo avokoa ny medaly volamena, teo amin’ny ady “kyorugi” izay nifanandrinana.

Voalohany ny ligin’ Ana­lamanga, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja Tae-kwon-do WT. Fifaninanana, notanterahina tany amin’ny kianja mitafon’i Soavita Toama­sina, ny alakamisy ka hatramin’ny asabotsy 7 janoary lasa teo. Nandrombaka medaly volamena miisa 79 izy ireo, tamin’ny ady na “kyorugi”. Anisan’ny nanjakan’izy ireo, ny teo amin’ny sokajy zandriny.
Anisan’izany ny teo amin’ny “poussins”-16 kg; -19 kg, -21 kg. Torak’izany ny teo amin’ny “pupilles” lehilahy izay lasany avokoa ny sokajin-danja rehetra. Na izany aza, nobodoin’ny mpikatroka avy any Atsinanana kosa ny sokajy “Cadet”-37 kg, izay norombahin’i Lai Fleuro Toandro. Toy izany koa ny “junior” -45 lehilahy, ka nahavoahosotra an’i Nordin Fredino, ny maha tompondakam-pirenena azy.
Manana ny ho aviny tokoa ny mpikatroka avy any Atsinanana satria mbola izy ireo ihany koa no nahazo ny teo amin’ny “senior” lehilahy -54 kg, tamin’ny alalan’i Njakarimanana Ner­son. Tsy nivoaka an’i Toamasina koa ny medaly volamena, ho an’ny -74 kg, lehilahy ihany, izay azon’i Mialisata Michou. Toy izany koa ny sokajy -87 kg, ta­min’ny alalan’i Etienne Claré Ulrick, izay tsy nisy mpifanandrina.
Adin’ny samy Anala­manga kosa ny teo amin’ny -80 kg ka voahosotra ho tompondaka, i Stephane Lark­ham, avy amin’ny klioba Lion rehefa nandresy an’i Mirija Manohisoa, mpikatroka avy amin’Iarivo TKD.
Tsiahivina fa tsy nisy ny sokajy “senior” vehivavy, tamin’ity. Raha tsy misy ny fiovana hivoaka ny faran’ny herinandro ho avy izao, ny anaran’ireo handrafitra mialoha ny ekipam-pirenenana, hanomana ny Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Voaho­sotra ho mpiady mendrika teo amin’ny vehivavy, Ra­ma­nandraisoa Mendrika Fi­faliana Sanyah (Atsinanana) sy Rakotobe Steve (Dyna­mic Analamanga), ho an’ny lehilahy.

Torcelin

Partager sur: