Karate – Tompondaka maneran-tany : Ahina tsy handray anjara ny Malagasy

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, ahitana an’i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Hatra­min’ny nanaovanay fanadihadiana sy nanoratana, omaly anefa, mbola baraingo ny handehanan’izy ireo. Tsy mbola ampy ny hoenti-manana handraisana anjara amin’izany, araka ny vaovao azo avy amin’ny loharanom-baovao iray. Notsiahivin’io koa fa lelavola manodidina ny 17 tapitrisa Ariary isaky ny ankizy no ho lany hiatrehana an’io fifanintsanana io. Raha ny fanampim-panazavana azo, tsy mandeha any an-toerana ny Malagasy mpikatroka raha vao tsy mahita io vola io. Ahina, araka izany, ny tsy handraisan’ny Malagasy anjara amin’ty fifaninanana ity. Mbola manantena ary miantso ny fanjakana sy ireo izay malala-tanana ha­nampy azy ireo ny fianakavian’ireo atleta. Marihina  fa efa nandany 14 tapitrisa Ariary isaky ny ankizy izy ireo nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika natao tany Alzeria farany teo.  Mbola nanamafy hatrany ry zareo fa voninahi-pirenena no harovana ka manantena hatrany ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Na izany aza, mbola ao anatin’ny fanomanana hatrany ireo mpikatroka amin’izao.

F.R

Partager sur: